1 Corinthians 15:54 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa rehefa mitafy ny tsy fahalovana ity mety lo ity ary mitafy ny tsy fahafatesana ity mety maty ity dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: «Ny fahafatesana dia voatelina ka resy» (Isa 25.8).
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary rehefa mitafy ny tsy fahalòvana ity mety lo ity, ka mitafy ny tsy fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka amin’izay ny teny voasoratra hoe: Efa noresena ny fahafatesana ka levona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa rehefa mitafy ny tsy fahalòvana ity mety lo ity, ary mitafy ny tsy fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ilay tenin’ny Soratra Masina hoe: «Noresena ny fahafatesana ka levona!»
Malagasy Bible 1865
Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalòvana ity mety maty ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: Ny fahafatesana noresena ka levona (Isa. 25. 8).
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa rehefa mitafy ny tsy fahalovana ity mety lo ity ary mitafy ny tsy fahafatesana ity mety maty ity dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: «Ny fahafatesana dia voatelina ka resy» (Isa 25.8).
malagasy
Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalòvana ity mety maty ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: Ny fahafatesana noresena ka levona (Isa. 25. 8). [ Gr. voatelina ka resy]