1 Corinthians 16:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny amin’ny rahalahy Apolosy dia niangavy azy fatratra aho hiaraka amin’ny rahalahy hankaty aminareo, nefa tsy sitrapony mihitsy ny handeha izao; fa ho avy ihany izy rehefa misy andro mahalalaka azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny amin’i Apôlô havantsika, dia niangavy mafy taminy aho mba hiara-mandeha amin’ny havana iray finoana sasany hankany aminareo izy, saingy tsy mbola sitrany ny handeha ankehitriny, fa rehefa misy hahafahany dia ho avy ihany izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa i Apôlao havantsika kosa dia nampirisihiko matetika hankatỳ aminareo miaraka amin’ny havana sasany iray finoana; saingy tsy tiany hatao mihitsy izany ankehitriny, fa ho avy ihany izy rehefa misy hahafahany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny amin'i Apolosy rahalahy, dia nangataka azy fatratra aho hiara-mandeha amin'ny rahalahy hankatỳ aminareo, saingy tsy sitrapony akory ny handeha tamin'izany; nefa ho avy ihany izy, rehefa misy andro mahalalaka azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny amin’ny rahalahy Apolosy dia niangavy azy fatratra aho hiaraka amin’ny rahalahy hankaty aminareo, nefa tsy sitrapony mihitsy ny handeha izao; fa ho avy ihany izy rehefa misy andro mahalalaka azy.
malagasy
Ary ny amin'i Apolosy rahalahy, dia nangataka azy fatratra aho hiara-mandeha amin'ny rahalahy hankatỳ aminareo, saingy tsy sitrapony akory ny handeha tamin'izany; nefa ho avy ihany izy, rehefa misy andro mahalalaka azy. [ Na: saingy tsy sitrapon'Andriamanitra ny handehanany ankehitriny]