1 Corinthians 2:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary izaho koa, ry rahalahy, raha tonga tany aminareo, dia tsy tonga tamin’ny teny marevaka na fahendrena, rehefa nitory taminareo ny zavamiafina ny amin’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fony aho tonga tany aminareo koa, ry kristianina havana, dia tsy mba tamin-teny ambony, na tamim-pahendrena no nitoriako ny Evanjelin’Andriamanitra taminareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry havako, fony tonga tany aminareo aho mba hitory ny tsiambaratelo momba amin’Andriamanitra, dia tsy nampiasa lahateny marevaka na fahendrena mampitolagaga.
Malagasy Bible 1865
Ary izaho koa, ry rahalahy, raha tonga tany aminareo, dia tsy tonga tamin'ny teny sy fahendrena marevaka, raha nitory taminareo ny zava-miafina izay an'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary izaho koa, ry rahalahy, raha tonga tany aminareo, dia tsy tonga tamin’ny teny marevaka na fahendrena, rehefa nitory taminareo ny zavamiafina ny amin’Andriamanitra.
malagasy
Ary izaho koa, ry rahalahy, raha tonga tany aminareo, dia tsy tonga tamin'ny teny sy fahendrena marevaka, raha nitory taminareo ny zava-miafina izay an'Andriamanitra. [Na: [ny filazana]