1 Corinthians 2:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Isika no nanambaràn’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahy; fa ny Fanahy no mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny zava-dalina izay ao amin’Andriamanitra aza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamintsika no nanambaràn’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahiny; satria mahafantatra ny zavatra rehetra ny Fanahy, na dia izay lalina indrindra ao amin’Andriamanitra aza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izahay kosa no nanehoan’Andriamanitra izany tsiambaratelo izany tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Fa ny Fanahy Masina dia afaka mandinika ny zavatra rehetra, na dia izay lalina indrindra ao amin’Andriamanitra aza.
Malagasy Bible 1865
dia isika no nanambaran'Andriamanitra izany tamin'ny Fanahy; fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an'Andriamanitra aza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Isika no nanambaràn’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahy; fa ny Fanahy no mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny zava-dalina izay ao amin’Andriamanitra aza.
malagasy
dia isika no nanambaran'Andriamanitra izany tamin'ny Fanahy; fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an'Andriamanitra aza.