1 Corinthians 2:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izany koa no teneninay, tsy amin’ny teny ampianarin’ny fahendren’olona fa amin’ny teny ampianarin’ny Fanahy, raha mampitaha izay zavatra ara-panahy amin’izay avy amin’ny Fanahy izahay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy mba amin’ny teny ampianarin’ny fahendren’olombelona no ilazanay an’izany, fa amin’ny teny ampianarin’ny Fanahy, satria zavatra ara-panahy izany, ka lazainay amin’ny teny ara-panahy koa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary tsy teny ampianarin’ny fahendren’olombelona no itenenanay momba izany, fa teny ampianarin’ny Fanahin’Andriamanitra; ka izay manana io Fanahin’Andriamanitra io no anazavanay ny zavatra ampitain’ny Fanahin’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Izany koa no lazainay, tsy amin'ny teny ampianarin'ny fahendren'olona fa amin'ny teny ampianarin'ny Fanahy, raha milaza zava-panahy amin'izay olona araka ny Fanahy izahay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izany koa no teneninay, tsy amin’ny teny ampianarin’ny fahendren’olona fa amin’ny teny ampianarin’ny Fanahy, raha mampitaha izay zavatra ara-panahy amin’izay avy amin’ny Fanahy izahay.
malagasy
Izany koa no lazainay, tsy amin'ny teny ampianarin'ny fahendren'olona fa amin'ny teny ampianarin'ny Fanahy, raha milaza zava-panahy amin'izay olona araka ny Fanahy izahay. [Na: teny] [ Na: raha mampikambana zava-panahy; na mampitaha zava-panahy]