1 Corinthians 2:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa milaza ny fahendren’Andriamanitra izahay ka maneho zavamiafina, dia fahendrena izay nafenina sady voatendrin’Andriamanitra ho voninahitsika talohan’ny nahariana izao tontolo izao;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa fahendren’Andriamanitra no torinay, dia fahendrena lalina tsy hita polopolorina, izay voatendrin’Andriamanitra talohan’izao tontolo izao hampahazo voninahitra antsika;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ny torînay kosa dia fahendrena miafina ao amin’Andriamanitra: fahendrena izay takona amin’ny olombelona, kanefa voatendrin’Andriamanitra talohan’ny nisian’izao tontolo izao mba hahazoantsika voninahitra.
Malagasy Bible 1865
fa milaza ny fahendren'Andriamanitra izahay ka maneho zava-niafina, dia fahendrena izay nafenina sady voatendrin'Andriamanitra ho voninahitsika talohan'ny nanaovana izao tontolo izao;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fa milaza ny fahendren’Andriamanitra izahay ka maneho zavamiafina, dia fahendrena izay nafenina sady voatendrin’Andriamanitra ho voninahitsika talohan’ny nahariana izao tontolo izao;
malagasy
fa milaza ny fahendren'Andriamanitra izahay ka maneho zava-niafina, dia fahendrena izay nafenina sady voatendrin'Andriamanitra ho voninahitsika talohan'ny nanaovana izao tontolo izao;