1 Corinthians 3:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izaho, ry rahalahy, dia tsy nahazo niteny taminareo tahaka ny amin’izay araka ny Fanahy fa tahaka ny amin’izay mbola araka ny nofo, dia tahaka izay mbola zaza ihany ao amin’i Kristy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary izaho, ry kristianina havana, dia tsy nahazo niteny taminareo toy ny amin’ny olona ara-panahy, fa toy ny amin’ny olona ara-batana sy mbola zaza ao amin’i Kristy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa izaho, ry havako, dia tsy afaka niteny taminareo toy ny amin’ny olona manana ny Fanahin’Andriamanitra; fa toy ny amin’ny olona mbola fehezin’ny maha olombelona no nitenenako taminareo, toy ny amin’ny olona zazavao amin’ny maha kristianina.
Malagasy Bible 1865
Ary izaho, ry rahalahy, tsy nahazo niteny taminareo tahaka ny amin'izay araka ny Fanahy, fa tahaka ny amin'izay mbola nofo, dia tahaka izay mbola zaza ihany ao amin'i Kristy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izaho, ry rahalahy, dia tsy nahazo niteny taminareo tahaka ny amin’izay araka ny Fanahy fa tahaka ny amin’izay mbola araka ny nofo, dia tahaka izay mbola zaza ihany ao amin’i Kristy*.
malagasy
[Ny amin'ny raharahan'ny mpitoriteny, sy ny mbola hizahan-toetra azy] Ary izaho, ry rahalahy, tsy nahazo niteny taminareo tahaka ny amin'izay araka ny Fanahy, fa tahaka ny amin'izay mbola nofo, dia tahaka izay mbola zaza ihany ao amin'i Kristy.