1 Corinthians 3:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Araka ny fahasoavan’Andriamanitra nomena ahy dia tahaka ny fanaon’ny mpanao mari-trano hendry no nametrahako ny fanorenana, fa olon-kafa no mandrafitra eo amboniny; nefa aoka ny olona rehetra hitandrina izay arafiny eo amboniny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho ny fahasoavana nomen’Andriamanitra ahy, dia nanao ny fanorenana toy ny tompo-marika mahay aho, ary ny hafa kosa mandrafitra eo amboniny. Samia anefa mitandrina izay arafiny eo amboniny;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Araka ny tombon-tsoa nomen’Andriamanitra ahy, dia nametraka ny fototra toy ny mpità-marika mahay aho; ary olon-kafa no mandrafitra eo ambonin’izany. Kanefa aoka samy hitandrina tsara ny fomba andrafetany;
Malagasy Bible 1865
Araka ny fahasoavan'Andriamanitra nomena ahy, tahaka ny fanaon'ny mpità-marika mahay no nanaovako ny fanorenana, ary ny hafa mandrafitra eo amboniny; nefa aoka ny olona rehetra hitandrina izay arafiny eo amboniny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Araka ny fahasoavan’Andriamanitra nomena ahy dia tahaka ny fanaon’ny mpanao mari-trano hendry no nametrahako ny fanorenana, fa olon-kafa no mandrafitra eo amboniny; nefa aoka ny olona rehetra hitandrina izay arafiny eo amboniny.
malagasy