1 Corinthians 3:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aza misy mamita-tena. Raha misy eo aminareo milaza azy ho hendry amin’izao tontolo izao dia aoka ho adala izy mba ho tonga hendry.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aza misy mamita-tena; fa raha misy aminareo manao ny tenany ho hendry amin’izao tontolo izao, dia aoka ho adala izy mba ho hendry.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka tsy hisy hamita-tena. Raha misy aminareo mihevi-tena ho hendry araka ny filamatr’ izao tontolo izao, aoka hanjary adala izy mba ho hendry.
Malagasy Bible 1865
Aza misy mamita-tena. Raha misy eo aminareo manao azy ho hendry amin'izao tontolo izao, aoka ho adala izy mba ho hendry.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aza misy mamita-tena. Raha misy eo aminareo milaza azy ho hendry amin’izao tontolo izao dia aoka ho adala izy mba ho tonga hendry.
malagasy
Aza misy mamita-tena. Raha misy eo aminareo manao azy ho hendry amin'izao tontolo izao, aoka ho adala izy mba ho hendry.