1 Corinthians 4:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izahay dia adala noho ny amin’i Kristy fa ianareo no hendry ao amin’i Kristy! Izahay dia malemy fa ianareo no mahery! Ianareo dia manan-daza fa izahay no mavomavo!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izahay moa, adala noho ny amin’i Kristy, ianareo kosa hendry ao amin’i Kristy! Izahay osa, fa ianareo no matanjaka; izahay faneso, ianareo kosa fanaja.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izahay moa adala noho ny amin’i Kristy, fa ianareo kosa hendry satria tafaray amin’i Kristy; izahay osa, fa ianareo kosa matanjaka; izahay tsy misy hajany, fa ianareo kosa heni-boninahitra.
Malagasy Bible 1865
Izahay dia adala noho ny amin'i Kristy, fa ianareo no hendry ao amin'i Kristy! izahay malemy, fa ianareo no mahery! ianareo manandaza, fa izahay mavomavo!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izahay dia adala noho ny amin’i Kristy* fa ianareo no hendry ao amin’i Kristy! Izahay dia malemy fa ianareo no mahery! Ianareo dia manan-daza fa izahay no mavomavo!
malagasy
Izahay dia adala noho ny amin'i Kristy, fa ianareo no hendry ao amin'i Kristy! izahay malemy, fa ianareo no mahery! ianareo manandaza, fa izahay mavomavo!