1 Corinthians 4:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izany zavatra izany, ry rahalahy, dia nataoko oha-teny noho ny aminareo, mba hilazana ahy sy i Apolosy, mba hianaranareo aminay ny tsy hihoatra noho izay voasoratra ianareo ka tsy hisy hireharehanareo hankalaza ny iray na hanevateva ny iray hafa kosa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary noho ny aminareo, ry kristianina havana, dia nahodiko mankamin’ny tenako sy i Apôlô izany zavatra izany, hianaranareo ao amin’ny tenanay tsy hanao mihoatra noho izay voasoratra, mba tsy hoentim-piavonavonana ianareo hanandratra ity, nefa hanetry an’iry kosa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry havako, nampihariko tamin’ny tenako sy tamin’i Apôlao izany zavatra izany, noho ny aminareo. Ka dia ny tenanay roa lahy no hianaranareo ny dikan’ilay ohabolana hoe: «Aza mihoatra ny faritra izay efa voasoratra.» Aoka ianareo tsy hirehareha miandany amin’olona anankiray ka hanabanty anankiray hafa.
Malagasy Bible 1865
Ary izany zavatra izany, ry rahalahy, nataoko oha-teny hilaza ahy sy Apolosy noho ny aminareo, mba hianaranareo aminay ny tsy hihoatra noho ny voasoratra, mba tsy hisy hireharehanareo hankalaza ny anankiray, fa hanevateva ny anankiray kosa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izany zavatra izany, ry rahalahy, dia nataoko oha-teny noho ny aminareo, mba hilazana ahy sy i Apolosy, mba hianaranareo aminay ny tsy hihoatra noho izay voasoratra ianareo ka tsy hisy hireharehanareo hankalaza ny iray na hanevateva ny iray hafa kosa.
malagasy
[Anatra noho ny fiavonavonan'ny Korintiana] Ary izany zavatra izany, ry rahalahy, nataoko oha-teny hilaza ahy sy Apolosy noho ny aminareo, mba hianaranareo aminay ny tsy hihoatra noho ny voasoratra, mba tsy hisy hireharehanareo hankalaza ny anankiray, fa hanevateva ny anankiray kosa.