1 Corinthians 4:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa iza no nanome tombony anao amin’ny hafa? Ary inona no anananao, izay tsy noraisinao? Fa raha nandray ihany ianao, nahoana no mirehareha ohatra ny tsy nandray?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa zovy moa no manambony anao noho ny hafa? Ary inona no anananao ka tsy noraisinao? Ary raha nandray ianao, nahoana no dia mirehareha toy ny tsy nandray iny?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Iza moa no nanondrotra anao ho ambonin’ny sasany? Inona no anananao ka tsy noraisinao tamin’Andriamanitra? Ary raha nandray tamin’Andriamanitra ianao, nahoana no dia mirehareha hoatra ny tsy nandray?
Malagasy Bible 1865
Fa iza no mampihoatra anao? Ary inona no anananao, izay tsy noraisinao? Fa raha nandray ihany ianao, nahoana no mirehareha hoatra ny tsy nandray?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa iza no nanome tombony anao amin’ny hafa? Ary inona no anananao, izay tsy noraisinao? Fa raha nandray ihany ianao, nahoana no mirehareha ohatra ny tsy nandray?
malagasy
Fa iza no mampihoatra anao? Ary inona no anananao, izay tsy noraisinao? Fa raha nandray ihany ianao, nahoana no mirehareha hoatra ny tsy nandray?