1 Corinthians 4:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Efa afa-po sahady ianareo, efa manankarena sahady ianareo, efa manjaka tsy miaraka aminay ianareo; kanefa hay tsy izahay akory no nahazoanareo izany! Enga anie ka hanjaka tokoa ianareo mba hiarahanay manjaka aminareo koa!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa voky sahady mantsy ianareo izany e! Efa manan-karena sahady à! Efa manjaka lavitra anay! Enga anie ka ho izany tokoa ianareo, mba hiarahanay manjaka aminareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Efa tapi-java-nirina ianareo, efa manankarena, tonga mpanjaka, saingy toa tsy noho ny nataonay! Satriko ho tonga mpanjaka tokoa ianareo, mba hiarahanay manjaka aminareo.
Malagasy Bible 1865
Efa afa-po sahady ianareo, efa manan-karena sahady ianareo, efa manjaka ianareo; kanefa hay! tsy izahay tsy akory no nahazoanareo izany! Enga anie ka manjaka tokoa ianareo, hiarahanay sy ianareo manjaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Efa afa-po sahady ianareo, efa manankarena sahady ianareo, efa manjaka tsy miaraka aminay ianareo; kanefa hay tsy izahay akory no nahazoanareo izany! Enga anie ka hanjaka tokoa ianareo mba hiarahanay manjaka aminareo koa!
malagasy