1 Corinthians 4:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ataoko fa nasehon’Andriamanitra ho faraidiny izahay Apostoly, dia toy izay voaheloka ho faty; fa izahay dia natao ho fizahan’izao rehetra izao, na anjely na olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa izahay Apôstôly, araka ny fijeriko ny tenanay, dia hoatra ny nasehon’Andriamanitra ho olona faraidiny sy toy ny voaheloka ho faty, natao fizàhan’izao rehetra izao, na Anjely, na olombelona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noheveriko fa izahay apôstôly dia nasehon’Andriamanitra ho olona faraidiny mihitsy: mova tsy olona voaheloko ho faty ampahibemaso ka natao ho fizàhan’ izao tontolo izao na anjely na olona.
Malagasy Bible 1865
Fa ataoko fa nasehon'Andriamanitra ho faraidina izahay Apostoly, dia toy izay voaheloka hovonoina; fa izahay dia natao ho fizàhan'izao rehetra izao, na anjely na olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ataoko fa nasehon’Andriamanitra ho faraidiny izahay Apostoly, dia toy izay voaheloka ho faty; fa izahay dia natao ho fizahan’izao rehetra izao, na anjely na olona.
malagasy
Fa ataoko fa nasehon'Andriamanitra ho faraidina izahay Apostoly, dia toy izay voaheloka hovonoina; fa izahay dia natao ho fizàhan'izao rehetra izao, na anjely na olona.