1 Corinthians 5:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Efa re hatraiza hatraiza fa misy fijangajangana atỳ aminareo; eny, fijangajangana izay tsy misy tahaka azy na dia amin’ny Jentilisa aza, fa misy olona ao aminareo manambady ny vadin-drainy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Re laza tsy leo dina fa misy fahalotoana atỳ aminareo, sady fahalotoana tsy fahita na dia any amin’ny Jentily aza, dia olona anankiray manambady ny vadin-drainy!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Re laza hatraiza hatraiza ankehitriny fa misy fanambadiana mifotitra ao aminareo, dia fanambadiana mifotitra mahatsiravina izay tsy fahita na dia any amin’ny hafa firenena akory aza: misy anankiray aminareo manambady renikely.
Malagasy Bible 1865
Efa re marina fa misy fijangajangana atỳ aminareo, eny, dia fijangajangana izay tsy misy tahaka azy na dia amin'ny jentilisa asa, fa misy anankiray manambady ny vadin-drainy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Efa re hatraiza hatraiza fa misy fijangajangana atỳ aminareo; eny, fijangajangana izay tsy misy tahaka azy na dia amin’ny Jentilisa* aza, fa misy olona ao aminareo manambady ny vadin-drainy.
malagasy
[Anatra noho ny tsy nanesorany ilay lehilahy nanao fitondran-tena vetaveta] Efa re marina fa misy fijangajangana atỳ aminareo, eny, dia fijangajangana izay tsy misy tahaka azy na dia amin'ny jentilisa asa, fa misy anankiray manambady ny vadin-drainy.