1 Corinthians 5:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izaho, na dia tsy teo aza ny tenako, nefa teo ihany ny fanahiko, dia efa nitsara sahady an’ilay nanao fihetsika toy izany, tahaka ny nanatrika teo ihany:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izaho, na dia tsy teo aminareo am-batana aza, dia teo am-panahy, sy efa nitsara sahady an’ilay nanao izany zavatra izany, toy ny teo aminareo ihany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa izaho, na dia lavitra anareo am-batana aza, dia akaikinareo am-panahy; ka tamin’ny anaran’i Jesoa Tompontsika no nitsarako sahady an’ilay namoa-tsampona. Raha hivory ianareo ka ho tafaraka aminareo am-panahy aho, dia homba antsika ny herin’i Jesoa Tompontsika:
Malagasy Bible 1865
Fa izaho, na dia tsy teo aza ny tenako, nefa teo ihany ny fanahiko, dia efa nitsara sahady an'ilay nanao toy izany, tahaka ny teo ihany aho:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izaho, na dia tsy teo aza ny tenako, nefa teo ihany ny fanahiko, dia efa nitsara sahady an’ilay nanao fihetsika toy izany, tahaka ny nanatrika teo ihany:
malagasy
Fa izaho, na dia tsy teo aza ny tenako, nefa teo ihany ny fanahiko, dia efa nitsara sahady an'ilay nanao toy izany, tahaka ny teo ihany aho: