1 Corinthians 6:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Azoko atao ny zavatra rehetra, nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra; azoko atao ny zavatra rehetra, nefa izaho dia tsy manaiky handevozin-javatra, na inona na inona izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy misy fady ho ahy ny zavatra rehetra, nefa tsy àry mahasoa avokoa izy rehetra; tsy misy fady ho ahy ny zavatra rehetra, nefa tsy misy avelako hanandevo ahy na inona na inona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Azoko atao ny zavatra rehetra», hoy aho, kanefa tsy dia ary mahasoa avokoa. «Azoko atao ny zavatra rehetra», hoy aho, kanefa tsy misy na inona na inona avelako hanandevo ahy.
Malagasy Bible 1865
Ny zavatra rehetra azoko atao, nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra; ny zavatra rehetra azoko atao, nefa izaho tsy mety handevozin-javatra na inona na inona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Azoko atao ny zavatra rehetra, nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra; azoko atao ny zavatra rehetra, nefa izaho dia tsy manaiky handevozin-javatra, na inona na inona izany.
malagasy
[Ny amin'ny fijangajangana tsy azo atao ho isan'ny zavatra tsy mampaninona, tahaka ny hanina samy hafa] Ny zavatra rehetra azoko atao, nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra; ny zavatra rehetra azoko atao, nefa izaho tsy mety handevozin-javatra na inona na inona.