1 Corinthians 6:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny hanina dia ho an’ny kibo, ary ny kibo dia ho an’ny hanina; nefa samy holevonin’Andriamanitra ireo zavatra roa ireo. Fa ny tena kosa dia tsy ho an’ny fijangajangana fa ho an’ny Tompo; ary ny Tompo ho an’ny tena.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny hanina, ho an’ny kibo; ny kibo ho an’ny hanina, ary izy roroa, samy holevonin’Andriamanitra. Fa ny vatana kosa tsy mba ho an’ny fijangajangana, fa an’ny Tompo; ary ny Tompo, ho an’ny vatana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ny hanina fanao an-kibo ary ny kibo fasian-kanina», hoy ianareo, kanefa samy zavatra horavan’Andriamanitra izy roroa. Ny tenantsika kosa tsy natao ho an’ny fijangajangana fa ho an’ny Tompo; ary ny Tompo ho an’ny tenantsika.
Malagasy Bible 1865
Ny hanina dia ho an'ny kibo, ary ny kibo ho an'ny hanina; nefa samy holevonin'Andriamanitra izy roroa. Fa ny tena kosa dia tsy ho an'ny fijangajangana, fa ho an'ny Tompo; ary ny Tompo ho an'ny tena.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ny hanina dia ho an'ny kibo, ary ny kibo ho an'ny hanina; nefa samy holevonin'Andriamanitra izy roroa. Fa ny tena kosa dia tsy ho an'ny fijangajangana, fa ho an'ny Tompo; ary ny Tompo ho an'ny tena.