1 Corinthians 7:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa amin’ny sisa dia hoy aho fa tsy ny Tompo: Raha misy rahalahy manambady tsy mino ary manaiky hitoetra aminy ihany ny vavy dia aoka tsy hisaraka aminy izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary izao no ambarako amin’ireo sisa, izaho anefa fa tsy ny Tompo: Raha misy havana iray finoana manam-bady tsy mpino, ka manaiky hiara-mitoetra aminy ihany ny vavy, dia aoka tsy handroaka ny vadiny izy;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary amin’ireo sisa dia izao no teniko (izaho fa tsy ny Tompo): raha misy lehilahy kristianina manambady vehivavy tsy mpino, ka te hiara-mitoetra aminy ravehivavy, dia aoka izy tsy hanary an-dravehivavy;
Malagasy Bible 1865
Fa amin'ny sisa, dia hoy izaho, fa tsy ny Tompo: Raha misy rahalahy manam-bady tsy mino, ary mety mitoetra aminy ihany ny vavy, dia aoka tsy hialany izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa amin’ny sisa dia hoy aho fa tsy ny Tompo: Raha misy rahalahy manambady tsy mino ary manaiky hitoetra aminy ihany ny vavy dia aoka tsy hisaraka aminy izy.
malagasy
Fa amin'ny sisa, dia hoy izaho, fa tsy ny Tompo: Raha misy rahalahy manam-bady tsy mino, ary mety mitoetra aminy ihany ny vavy, dia aoka tsy hialany izy.