1 Corinthians 7:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny lahy tsy mino dia efa nohamasinina ao amin’ny vavy, ary ny vavy tsy mino dia efa nohamasinina ao amin’ny rahalahy; raha tsy izay dia tsy madio ny zanakareo, kanefa masina izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
satria ny lahy tsy mpino efa nahazo fanamasinana tamin’ny vavy; ary ny vehivavy tsy mpino efa nahazo fanamasinana tamin’ny lehilahy koa; fa raha tsy izany dia haloto ny zanakareo, nefa masina izy izao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ny lahy tsy mpino dia atokan’Andriamanitra ho Azy, noho ny vadiny kristianina; ary ny vavy tsy mpino dia atokan’Andriamanitra ho Azy, noho ny vadiny kristianina. Raha tsy izany, dia ho tsy mpino ny zanak’izy roa, kanefa izao dia voatokana ho an’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Fa ny lahy tsy mino dia efa masina ao amin'ny vavy ary ny vavy tsy mino dia efa masina ao amin'ny rahalahy; raha tsy izany kosa, dia tsy madio ny zanakareo; fa raha izany, dia masina izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny lahy tsy mino dia efa nohamasinina ao amin’ny vavy, ary ny vavy tsy mino dia efa nohamasinina ao amin’ny rahalahy; raha tsy izay dia tsy madio ny zanakareo, kanefa masina izy.
malagasy
Fa ny lahy tsy mino dia efa masina ao amin'ny vavy ary ny vavy tsy mino dia efa masina ao amin'ny rahalahy; raha tsy izany kosa, dia tsy madio ny zanakareo; fa raha izany, dia masina izy.