1 Corinthians 7:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha ny tsy mino no te hisaraka dia aoka izy hisaraka. Na ny rahalahy na ny anabavy dia tsy voafehy amin’izany; fa Andriamanitra efa niantso anareo amin’ny fihavanana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha ny tsy mpino no miala, dia aoka hiala izy, fa amin’izany tsy voafehy intsony ny havana iray finoana na ny lehilahy na ny vehivavy satria ho amin’ny fiadanana no niantsoan’Andriamanitra antsika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha ilay tsy mpino kosa no te hisaraka amin’ny vadiny kristianina, dia aoka izy hisaraka. Amin’izany, dia malalaka ny lafiny kristianina, na ny lahy na ny vavy, satria efa nantsoin’Andriamanitra ho velona finaritra isika.
Malagasy Bible 1865
Fa raha ny tsy mino no miala, aoka hiala izy. Na rahalahy na anabavy dia tsy voafehy amin'izany; fa Andriamanitra efa niantso antsika amin'ny fihavanana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha ny tsy mino no te hisaraka dia aoka izy hisaraka. Na ny rahalahy na ny anabavy dia tsy voafehy amin’izany; fa Andriamanitra efa niantso anareo amin’ny fihavanana.
malagasy
Fa raha ny tsy mino no miala, aoka hiala izy. Na rahalahy na anabavy dia tsy voafehy amin'izany; fa Andriamanitra efa niantso antsika amin'ny fihavanana.