1 Corinthians 7:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa na dia hanambady aza ianao dia tsy manota tsy akory; ary na dia hanambady aza ny virijiny dia tsy manota izy. Kanefa kosa hanam-pahoriana eo amin’ny fiainany ara-nofo ireny; fa raha izaho dia tsy ta hampiditra anareo amin’izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy manota anefa ianao na dia hanam-bady aza; tsy manota koa ny virjiny na dia hanam-bady aza, saingy ho zoim-pahoriana amin’ny nofo kosa izy ireny, ka iriko tsy ho voan’izany ianareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa, tsy manota ianao raha manambady. Ary raha manambady tovovavy, dia tsy manota; saingy ny manambady dia tsy ilaozam-pijaliana amin’ny fiainana andavanandro, ka tiako tsy hiharan’izany ianareo.
Malagasy Bible 1865
Nefa na dia hanam-bady aza ianao, dia tsy manota tsy akory; ary na dia hanam-bady aza ny virijina, dia tsy manota izy. Kanefa kosa hanam-pahoriana amin'ny nofo ireny; fa izaho miantra anareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Nefa na dia hanam-bady aza ianao, dia tsy manota tsy akory; ary na dia hanam-bady aza ny virijina, dia tsy manota izy. Kanefa kosa hanam-pahoriana amin'ny nofo ireny; fa izaho miantra anareo.