1 Corinthians 7:31 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary aoka mba ho toy izay tsy mankafy an’izao fiainana izao loatra ny mampiasa an’izao fiainana izao, fa mandalo ny endrik’izao fiainana izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ny manararaotra izao tontolo izao ho toy ny tsy manararaotra; fa mandalo ny endrik’izao tontolo izao
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ireo fatra-pikirakira ny zavatr’izao tontolo izao dia aoka ho toy ny tsy mikirakira izany, fa mihelina ny endrik’izao tontolo izao.
Malagasy Bible 1865
ary mba ho toy izay tsy mahavatra izao fiainana izao loatra ny mahavatra azy, fa mandalo ny fanaon'izao fiainana izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary aoka mba ho toy izay tsy mankafy an’izao fiainana izao loatra ny mampiasa an’izao fiainana izao, fa mandalo ny endrik’izao fiainana izao.
malagasy
ary mba ho toy izay tsy mahavatra izao fiainana izao loatra ny mahavatra azy, fa mandalo ny fanaon'izao fiainana izao.