1 Corinthians 7:34 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary tsy mitovy koa ny vehivavy manambady sy ny virijiny. Ny vehivavy tsy manambady dia mitandrina ny an’ny Tompo, mba samy ho masina avokoa ny tenany sy ny fanahiny; fa izay manambady kosa dia mitandrina ny an’izao fiainana izao mba hahafaly ny lahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Toy izany koa ny vehivavy: izay tsy manam-bady sy ny virjiny, dia miahy ny momba ny Tompo, mba ho masina ny vatana amam-panahiny; fa ny vehivavy izay manam-bady kosa dia miahy ny momba izao fiainana izao, mba hahafaly ny lahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka dia miroa fo. Ary ny vehivavy tokan-tena sy ny virijiny dia miahy ny raharahan’ny Tompo, hany ka voatokana ho Azy Tompo vatana amam-panahy. Fa ny vehivavy manambady kosa dia miahy ny raharahan’izao tontolo izao, manao izay hahafaly ny vadiny.
Malagasy Bible 1865
Ary tsy mitovy koa ny vehivavy manam-bady sy ny virijina. Ny vehivavy tsy manam-bady mitandrina ny an'ny Tompo, mba ho samy masina avokoa ny tenany sy ny fanahiny; fa izay manam-bady kosa dia mitandrina ny an'izao fiainana izao mba hahafaly ny lahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary tsy mitovy koa ny vehivavy manambady sy ny virijiny. Ny vehivavy tsy manambady dia mitandrina ny an’ny Tompo, mba samy ho masina avokoa ny tenany sy ny fanahiny; fa izay manambady kosa dia mitandrina ny an’izao fiainana izao mba hahafaly ny lahy.
malagasy