1 Corinthians 7:35 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary miteny izany aho mba hahasoa anareo; tsy haningotra anareo amin’ny tadivavarana aho fa mba hanaovanareo izay mendrika sy hitoeranareo tsara amin’ny Tompo ka tsy hivezivezen’ny sainareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny hahasoa anareo anie no nilazako izany, fa tsy ny hamadika anareo e! natoroko anareo ny tena mety hikambananareo amin’ny Tompo tsy aman-tsampona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny hahasoa anareo no ilazako izany: tsy hoe hamela-pandrika aminareo, fa hanaovanareo ny mendrika sy hifikiranareo amin’ny Tompo tsy misy manembantsembana.
Malagasy Bible 1865
Ary miteny izany aho mba hahasoa anareo, fa tsy haningotra anareo amin'ny tadivavarana, fa mba hanaovanareo izay miendrika sy hitoeranareo tsara amin'ny Tompo, ka tsy hivezivezen'ny sainareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary miteny izany aho mba hahasoa anareo; tsy haningotra anareo amin’ny tadivavarana aho fa mba hanaovanareo izay mendrika sy hitoeranareo tsara amin’ny Tompo ka tsy hivezivezen’ny sainareo.
malagasy
Ary miteny izany aho mba hahasoa anareo, fa tsy haningotra anareo amin'ny tadivavarana, fa mba hanaovanareo izay miendrika sy hitoeranareo tsara amin'ny Tompo, ka tsy hivezivezen'ny sainareo.