1 Corinthians 7:36 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha misy mihevitra fa tsy mety ny fitondrany ny fofombadiny, satria manana faniriana mafy izy araka izay mety mitranga, dia aoka hifanambady izy ireo; tsy manota izy raha izay no sitrapony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha misy mihevitra fa adidiny ny mampanam-bady ny zanany vavy, satria mety hahafa-baraka azy ny mamela azy hihoatra ny taom-panambadiana, dia aoka izy hanao izay tiany, fa tsy manota izy raha mamela azy hanambady.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao kosa ny amin’ireo efa mpifamofo talohan’ny nahatonga azy ho kristianina. Raha miredareda-paniriana razazalahy, ka mihevitra fa tsy hahafehy tena manoloana ny fofombadiny ary mihevitra fa tokony hotanterahina ny raharaham-panambadiana, dia aoka ilay tovolahy hanao izay irîny fa tsy manota izy amin’izany: aoka hifanambady izy roa!
Malagasy Bible 1865
Fa raha misy mihevitra fa tsy mety ny fitondrany ny zananivavy virijina, satria mihoatra noho ny taona tokony anambadian'ny zanany, ka tsy maintsy hisy izany, dia aoka izy hanao izay sitrapony, tsy manota izy; aoka hanam-bady izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha misy mihevitra fa tsy mety ny fitondrany ny fofombadiny, satria manana faniriana mafy izy araka izay mety mitranga, dia aoka hifanambady izy ireo; tsy manota izy raha izay no sitrapony.
malagasy
Fa raha misy mihevitra fa tsy mety ny fitondrany ny zananivavy virijina, satria mihoatra noho ny taona tokony anambadian'ny zanany, ka tsy maintsy hisy izany, dia aoka izy hanao izay sitrapony, tsy manota izy; aoka hanam-bady izy. [ Gr. aoka hivady ireo]