1 Corinthians 8:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha misy mahita anao izay manam-pahalalana mipetraka mihinana ao amin’ny tempolin’ny sampy, tsy hampahasahy ny fieritreretan’ny malemy finoana hihinana izay hena naterina tamin’ny sampy koa va izany?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria, raha ianao efa mahalala izao, no hitan’ny olona mipetraka eo amin’ny tempolin-tsampy, moa ny kônsiansin’izay mbola malemy va tsy hampihinana azy ny hena naterina tamin’ny sampy?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Satria raha ianao izay manam-pahalalana no hitan’ny malemy ara-pinoana mihinana ao amin’ny trano fanompoan-tsampy, moa tsy hampirisika azy ao amin’ny fieritreretany koa ve izany hihinana ny hena natao sorona tamin’ny sampy?
Malagasy Bible 1865
Fa raha misy mahita anao izay manam-pahalalana mipetraka mihinana ao amin'ny tempolin'ny sampy, tsy hampahasahy ny fieritreretan'ny malemy hihinana izay hena aterina amin'ny sampy koa va izany?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Fa raha misy mahita anao izay manam-pahalalana mipetraka mihinana ao amin'ny tempolin'ny sampy, tsy hampahasahy ny fieritreretan'ny malemy hihinana izay hena aterina amin'ny sampy koa va izany?