1 Corinthians 8:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha manota toy izany amin’ny rahalahy ianareo ka mandratra ny fieritreretan’ny malemy finoana dia manota amin’i Kristy ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary raha manota amin’ny havanao toy izany ianao, sy manimba ny kônsiansiny mbola malemy, dia manota amin’i Kristy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha manota toy izany amin’ny havanareo iray finoana ianareo ka manimba ny fieritreretan’izy ireo mbola osa, dia i Kristy no anotanareo.
Malagasy Bible 1865
Fa raha manota toy izany amin'ny rahalahy ianareo ka manimba ny fieritreretan'ny malemy, dia manota amin'i Kristy ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha manota toy izany amin’ny rahalahy ianareo ka mandratra ny fieritreretan’ny malemy finoana dia manota amin’i Kristy ianareo.
malagasy
Fa raha manota toy izany amin'ny rahalahy ianareo ka manimba ny fieritreretan'ny malemy, dia manota amin'i Kristy ianareo.Koa raha ny hanina no mahatafintohina ny rahalahiko, dia tsy hihinan-kena akory aho mandrakizay, fandrao mahatafintohina ny rahalahiko.