1 Corinthians 8:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanefa tsy ary manana izany fahalalana izany avokoa ny olona rehetra; fa ny sasany, satria zatra amin’ny sampy mandraka ankehitriny izao, dia homana ny hena ka mahatsiaro azy ho zavatra naterina tamin’ny sampy; koa voaloto ny fieritreretany satria malemy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mbola tsy manana izany fahalalana izany avokoa anefa ny olona rehetra, fa ny sasany mbola manao ny sampy ho zavatra toy ny taloha ihany, ka nony mihinana ny hena naterina tamin’ny sampy, dia voaloto ny kônsiansiny, satria mbola malemy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa tsy ary manana izany fahalalana izany avokoa ny olona. Ny sasany, zatra nanatona ny sampy taloha, dia voarohin’izany mandraka ankehitriny, ka homana ny hena toy ny zavatra natao sorona tamin’ny sampy; osa ny fieritreretany, ka dia voaloton’izany hanina izany.
Malagasy Bible 1865
Kanefa tsy ary manana izany fahalalana izany avokoa ny olona rehetra; fa ny sasany, satria zatra amin'ny sampy mandraka ankehitriny izao, dia homana ny hena ka mahatsiaro azy ho zavatra naterina tamin'ny sampy; ka dia voaloto ny fieritreretany, satria malemy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanefa tsy ary manana izany fahalalana izany avokoa ny olona rehetra; fa ny sasany, satria zatra amin’ny sampy mandraka ankehitriny izao, dia homana ny hena ka mahatsiaro azy ho zavatra naterina tamin’ny sampy; koa voaloto ny fieritreretany satria malemy.
malagasy