1 Corinthians 9:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha ny hafa aza no manana izany zo izany aminareo, tsy mainka va fa izahay? Kanefa tsy nanampatra izany zo izany izahay fa mihafy amin’ny zavatra rehetra fandrao hampisy sakana ny Filazantsaran’i Kristy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary raha ny hafa aza afaka miombona amin’ny anananareo, tsy mainka va fa izahay? Tsy nampiasa izany fahefana izany anefa izahay, fa mihafy amin’ny zavatra rehetra mba tsy hanampontsampona ny Evanjelin’i Kristy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha ny olon-kafa aza manana izany zo izany, tsy mainka ve fa izahay? Kanefa tsy nampiasa izany zo izany izahay, fa dia nihafy tamin’ny zavatra rehetra, mba tsy hisakantsakanana ilay Vaovao Mahafaly momba an’i Kristy.
Malagasy Bible 1865
Raha ny hafa aza manana izany fahefana izany aminareo, tsy mainka va fa izahay? Kanefa tsy nanampatra izany fahefana izany izahay, fa mihafy amin'ny zavatra rehetra, fandrao hisakana ny filazantsaran'i Kristy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha ny hafa aza no manana izany zo izany aminareo, tsy mainka va fa izahay? Kanefa tsy nanampatra izany zo izany izahay fa mihafy amin’ny zavatra rehetra fandrao hampisy sakana ny Filazantsaran’i Kristy*.
malagasy
Raha ny hafa aza manana izany fahefana izany aminareo, tsy mainka va fa izahay? Kanefa tsy nanampatra izany fahefana izany izahay, fa mihafy amin'ny zavatra rehetra, fandrao hisakana ny filazantsaran'i Kristy.