1 Corinthians 9:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy fantatrareo va fa izay manompo amin’ny zavatra masina dia mihinana ny zavatry ny tempoly, ary izay manompo eo amin’ny alitara dia mahazo anjara amin’ny zavatra izay natao sorona teo amin’ny alitara?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy fantatrareo va fa izay manao ny raharaha masina dia mivelona amin’ny zavatry ny Tempoly, ary izay manompo ao amin’ny ôtely, dia miombona amin’ny ôtely?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy fantatrareo ve fa ireo manao ny raharaha masina ao an- tempoly dia mahazo hanina avy amin’ny zavatry ny tempoly, ary ireo miasa eo amin’ny alitara fisoronana dia mahazo anjara avy amin’ny zavatra atao sorona?
Malagasy Bible 1865
Tsy fantatrareo va fa izay manompo amin'ny zavatra masina dia mihinana ny zavatry ny tempoly, ary izay manompo eo amin'ny alitara dia miombona amin'ny alitara?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Tsy fantatrareo va fa izay manompo amin'ny zavatra masina dia mihinana ny zavatry ny tempoly, ary izay manompo eo amin'ny alitara dia miombona amin'ny alitara?