1 Corinthians 9:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha mitory ny Filazantsara aho dia tsy misy reharehako amin’izany, satria tsy maintsy manatanteraka izany aho; fa lozako raha tsy mitory ny Filazantsara aho!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha mitory ny Evanjely aho, dia tsy mba izany no voninahitro, fa adidy tsy maintsy efaiko izany, ka mila loza aho raha tsy mitory ny Evanjely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy hoe ny fitoriako ny Vaovao Mahafaly no ireharehako; adidy napetraka amiko izany ka lozako raha tsy mitory ny Vaovao Mahafaly aho.
Malagasy Bible 1865
Fa raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy misy ho reharehako, satria tsy maintsy manao izany; fa lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha mitory ny Filazantsara aho dia tsy misy reharehako amin’izany, satria tsy maintsy manatanteraka izany aho; fa lozako raha tsy mitory ny Filazantsara aho!
malagasy
Fa raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy misy ho reharehako, satria tsy maintsy manao izany; fa lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho!