1 Corinthians 9:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha ny sitrapoko no anaovako izany dia mahazo valim-pitia aho; fa raha tsy ny sitrapoko kosa dia natolotra ahy ho andraikitro izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha safidim-poko fotsiny no anaovako izany, dia hoe mendri-baly aho; fa didy no anaovako azy, ka dia adidy napetraka hiandraiketako izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha safidim-poko no anaovako izany, dia tokony hahazo valisoa aho; fa raha baiko no anaovako izany, dia andraikitra nankinin’Andriamanitra tamiko.
Malagasy Bible 1865
Fa raha ny sitrapoko no anaovako izany, dia mahazo valim-pitia aho; fa raha tsy ny sitrapoko, dia natolotra aho ho andraikitro izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha ny sitrapoko no anaovako izany dia mahazo valim-pitia aho; fa raha tsy ny sitrapoko kosa dia natolotra ahy ho andraikitro izany.
malagasy
Fa raha ny sitrapoko no anaovako izany, dia mahazo valim-pitia aho; fa raha tsy ny sitrapoko, dia natolotra aho ho andraikitro izany.