1 Corinthians 9:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Iza no mandeha manafika ka mivelona amin’ny harenan’ny tenany? Iza no mamboly voaloboka ka tsy mihinana ny vokatra? Ary iza no miandry ondry aman’osy ka tsy mivelona amin’ny rononony?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Zovy no mpiantafika miantoka ny fivelomany? Zovy no mpamboly voaloboka tsy mihinana ny voany? Zovy no mpiandry omby aman’osy tsy mivelona amin’ny rononony?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Iza no miaramila hianto-tena rehefa miantafika? Iza no mpamboly voaloboka tsy mihinana ny vokatr’izay namboleny? Iza no mpiandry ondry aman’osy tsy mivelona amin’ny rononon’ny biby andrasany?
Malagasy Bible 1865
Iza no mandeha manafika ka mivelona amin'ny haren'ny tenany? Iza no manao tanim-boaloboka ka tsy mihinana ny vokatra? Ary iza no miandry ondry aman'osy ka tsy mihinana ny rononony?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Iza no mandeha manafika ka mivelona amin’ny harenan’ny tenany? Iza no mamboly voaloboka ka tsy mihinana ny vokatra? Ary iza no miandry ondry aman’osy ka tsy mivelona amin’ny rononony?
malagasy
Iza no mandeha manafika ka mivelona amin'ny haren'ny tenany? Iza no manao tanim-boaloboka ka tsy mihinana ny vokatra? Ary iza no miandry ondry aman'osy ka tsy mihinana ny rononony?