1 John 2:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Manoratra aminareo ray aho satria efa mahalala Ilay hatramin’ny voalohany ianareo. Manoratra aminareo zatovo aho satria efa naharesy ilay ratsy ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manoratra ho anareo aho, ry ray, satria nahalala Ilay hatramin’ny voalohany ianareo. Manoratra ho anareo aho, ry zatovo, satria naharesy ilay ratsy ianareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no soratako ho anareo ray aman-dreny: «Efa nahalala Ilay nambara hatramin’ny voalohany ianareo!» Izao no soratako ho anareo zatovo: «Efa naharesy ilay Ratsy ianareo!»
Malagasy Bible 1865
Manoratra aminareo ray aho, satria efa mahalala Ilay hatramin'ny voalohany ianareo. Manoratra aminareo zatovo aho, satria efa naharesy ilay ratsy ianareo. Nanoratra taminareo ankizy madinika aho satria efa mahalala ny Ray ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Manoratra aminareo ray aho satria efa mahalala Ilay hatramin’ny voalohany ianareo. Manoratra aminareo zatovo aho satria efa naharesy ilay ratsy ianareo.
malagasy