1 John 2:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanoratra taminareo ankizy madinika aho satria efa mahalala ny Ray ianareo. Nanoratra taminareo ray aho satria efa nahalala Ilay hatramin’ny voalohany ianareo. Nanoratra taminareo zatovo aho satria mahery ianareo, ary mitoetra ao anatinareo ny tenin’Andriamanitra sady efa naharesy ilay ratsy ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanoratra ho anareo ankizy aho, satria efa nahalala ny Ray ianareo. Nanoratra ho anareo ray aho, satria efa nahalala Ilay hatramin’ny voalohany ianareo. Nanoratra ho anareo zatovo aho, satria mahery ianareo ka mitoetra ao aminareo ny tenin’Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy ianareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no voasoratro ho anareo ankizy: «Efa nahalala ny Ray ianareo!» Izao no voasoratro ho anareo ray aman-dreny: «Efa nahalala Ilay nambara hatramin’ny voalohany ianareo!» Izao no voasoratro ho anareo zatovo: «Mahery ianareo ary mitoetra ao anatinareo ny tenin’Andriamanitra, sady efa naharesy ilay Ratsy ianareo!»
Malagasy Bible 1865
Nanoratra taminareo ray aho, satria efa nahalala Ilay hatramin'ny voalohany ianareo. Nanoratra taminareo zatovo aho, satria mahery ianareo, ary mitoetra ao anatinareo ny tenin'Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanoratra taminareo ankizy madinika aho satria efa mahalala ny Ray ianareo. Nanoratra taminareo ray aho satria efa nahalala Ilay hatramin’ny voalohany ianareo. Nanoratra taminareo zatovo aho satria mahery ianareo, ary mitoetra ao anatinareo ny tenin’Andriamanitra sady efa naharesy ilay ratsy ianareo.
malagasy