1 John 2:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rankizy, izao no ora farany. Araka ny efa renareo fa ho avy ny antikristy sady maro ny antikristy no efa tonga sahady, dia izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Anaka, izao no ora farany. Fa araka ny efa renareo dia ho avy ny antikristy, ary indro efa misy antikristy maro ankehitriny, ka izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rey anaka, izao no fotoanandro farany. Araka ny efa renareo dia ho avy ilay antikristy, sady maro ny antikristy efa tonga sahady; ka izany no ahafantarantsika fa izao no fotoanandro farany.
Malagasy Bible 1865
Rankizy, izao no ora farany, ary tahaka ny efa renareo fa ho avy ny antikristy, sady maro no antikristy efa tonga sahady; koa izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rankizy, izao no ora farany. Araka ny efa renareo fa ho avy ny antikristy sady maro ny antikristy no efa tonga sahady, dia izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany.
malagasy
Rankizy, izao no ora farany, ary tahaka ny efa renareo fa ho avy ny antikristy, sady maro no antikristy efa tonga sahady; koa izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany. [ Na: ilay]