1 John 2:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny aminareo dia ilay hosotra noraisinareo Taminy no mitoetra ao aminareo ka tsy mila hampianarin’olona ianareo; fa satria ny hosotra avy Aminy no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, sady marina fa tsy lainga izany, dia tomoera ao Aminy ianareo, araka ny nampianarany anareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ianareo, ilay fanosorana noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ka tsy mila hampianarin’olona ianareo, fa izany fanosorana izany no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, ary marina fa tsy lainga ny fampianarany, ka tomoera ao aminy araka ny fampianarany anareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ianareo kosa, dia ny Fanahy Masina efa noraisinareo avy tamin’i Kristy no mitoetra ao anatinareo, ka tsy mila hampianarin’olona ianareo. Fa ny Fanahy Masina avy amin’i Kristy no mampianatra anareo ny amin’ny zavatra rehetra, ary zavatra marim-pototra fa tsy lainga no ampianariny; ka tomoera ao anatin’i Kristy ianareo, araka ny nampianaran’ny Fanahy Masina anareo.
Malagasy Bible 1865
Ary ny aminareo, dia ilay hosotra noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ka tsy mila hampianarin'olona ianareo; fa satria ny hosotra avy aminy no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, sady marina, fa tsy lainga izany, dia tomoera ao aminy ianareo, araka ny nampianarany anareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny aminareo dia ilay hosotra noraisinareo Taminy no mitoetra ao aminareo ka tsy mila hampianarin’olona ianareo; fa satria ny hosotra avy Aminy no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, sady marina fa tsy lainga izany, dia tomoera ao Aminy ianareo, araka ny nampianarany anareo.
malagasy