1 John 3:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izany no mampiseho miharihary izay zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy amin’Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny fahamarinana sy izay tsy tia ny rahalahiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany no ahafantarana izay zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Izay rehetra tsy manao ny marina dia tsy avy amin’Andriamanitra, toy izany koa izay tsy tia ny rahalahiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izany no mampiavaka miharihary ireo zanak’Andriamanitra amin’ireo olona andevozin’ny devoly. Tsy mba avy amin’Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina soritany sy izay tsy tia ny namana iray finoana.
Malagasy Bible 1865
Izany no mampiseho miharihary izay Zanak'Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy amin'Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny rahalahiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izany no mampiseho miharihary izay zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy amin’Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny fahamarinana sy izay tsy tia ny rahalahiny.
malagasy
Izany no mampiseho miharihary izay Zanak'Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy amin'Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny rahalahiny.