1 John 3:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ry malala, ankehitriny aza dia zanak’Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa rehefa miseho Izy dia ho tahaka Azy isika ka ho hitantsika Izy amin’izay tena maha Izy Azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ry malala, zanak’Andriamanitra isika ankehitriny, nefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika; fa amin’ny andro hampisehoana izany, dia fantatsika fa hanahaka Azy isika, satria hahita Azy araka ny tena toetrany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry hava-malala, zanak’Andriamanitra isika ankehitriny, kanefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika rahatrizay. Saingy fantatsika fa rahatrizay hiseho i Kristy, dia ho tahaka Azy isika, satria hahita Azy araka ny maha Izy Azy.
Malagasy Bible 1865
Ry malala, ankehitriny aza dia zanak'Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ry malala, ankehitriny aza dia zanak’Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa rehefa miseho Izy dia ho tahaka Azy isika ka ho hitantsika Izy amin’izay tena maha Izy Azy.
malagasy