1 John 5:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy mahita ny rahalahiny manao ota tsy mitondra ho amin’ny fahafatesana dia aoka hifona ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy fiainana; ho an’izay nanao ota tsy ho amin’ny fahafatesana izany. Misy ota ho amin’ny fahafatesana. Tsy mba lazaiko fa tokony hangataka ny amin’izany izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha misy mahita ny namany manao fahotana tsy ho amin’ny fahafatesana, aoka hivavaka ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy ny fiainana, dia an’izay manota tsy ho amin’ny fahafatesana. Misy fahotana ho amin’ny fahafatesana; tsy mba ny amin’izany no ilazako hoe tokony hivavaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha misy mahita ny namana iray finoana manao ota tsy mahafaty, dia aoka izy hivavaka ho azy ary Andriamanitra no hanome azy fiainana: izay ny amin’ireo manao ota tsy mahafaty. Fa misy ota mahafaty, ka tsy mba ny amin’izany no ilazako hoe tokony hivavaka izy.
Malagasy Bible 1865
Raha misy mahita ny rahalahiny manao ota tsy mahafaty, dia aoka hifona ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy fiainana ho an'izay manao ota tsy mahafaty. Misy ota mahafaty; tsy mba lazaiko fa tokony hangataka ny amin'izany izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy mahita ny rahalahiny manao ota tsy mitondra ho amin’ny fahafatesana dia aoka hifona ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy fiainana; ho an’izay nanao ota tsy ho amin’ny fahafatesana izany. Misy ota ho amin’ny fahafatesana. Tsy mba lazaiko fa tokony hangataka ny amin’izany izy.
malagasy
Raha misy mahita ny rahalahiny manao ota tsy mahafaty, dia aoka hifona ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy fiainana ho an'izay manao ota tsy mahafaty. Misy ota mahafaty; tsy mba lazaiko fa tokony hangataka ny amin'izany izy. [ Gr. ota tsy ho amin'ny fahafatesana] [ Gr. ota ho amin'ny fahafatesana]