1 John 5:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina mba ho fantatsika Ilay Marina; ary isika dia ao amin’Ilay Marina, ao amin’i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra, ka nanome fahazavan-tsaina antsika, mba hahalalantsika an’Andriamanitra marina; ary ao amin’izany Andriamanitra marina izany isika, satria ao amin’i Jesoa Kristy Zanany izay Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra ka efa nanome antsika fahazavan-tsaina mba hahalalantsika an’ilay Andriamanitra tena Izy; ary tafaray amin’izany Andriamanitra tena Izy izany isika, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanany Izay Andriamanitra tena Izy sady fiaina-maharitra mandrakizay.
Malagasy Bible 1865
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika ilay marina; ary isika ao amin'ilay marina, dia ao amin'i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina mba ho fantatsika Ilay Marina; ary isika dia ao amin’Ilay Marina, ao amin’i Jesosy Kristy* Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.
malagasy
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika ilay marina; ary isika ao amin'ilay marina, dia ao amin'i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.Anaka, arovy ny tenanareo amin'ny sampy.