1 Kings 1:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mandehana mankao amin’i Davida mpanjaka ka lazao aminy hoe: Tsy nianiana tamiko mpanompovavinao va ianao, ry mpanjaka tompoko hoe: I Solomona zanakao lahy no hanjaka handimby ahy, ary izy no hipetraka eo amin’ny sezafiandrianako? Koa nahoana no i Adonia indray no tonga mpanjaka?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mandehana midira ao amin’i Davida mpanjaka ka lazao aminy hoe: ‹Ry mpanjaka tompoko ô: tsy efa nianiana tamiko mpanomponao va ianao, nanao hoe: I Salômôna zanakao hanjaka handimby ahy, ary izy no hipetraka eo amin’ny seza fiandrianako? Ka ahoana àry no i Adoniasa indray ity no tonga mpanjaka?›
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mankanesa any amin’i Davida mpanjaka ka lazao aminy hoe: «Moa tsy efa nianiana tamiko va ianao, ry andriamanjaka, fa i Salômôna zanako lahy no hanjaka handimby anao ka hipetraka eo amin’ny sezafiandriananao. Koa nahoana no i Adônià indray no tonga mpanjaka?»
Malagasy Bible 1865
Mandehana mankany amin'i Davida mpanjaka, ka lazao aminy hoe: Tsy nianiana tamiko mpanompovavinao va ianao, ry mpanjaka tompoko, nanao hoe: Solomona zanakao-lahy no hanjaka handimby ahy tokoa, ary izy no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako? Koa nahoana indray no Adonia no manjaka?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mandehana mankao amin’i Davida mpanjaka ka lazao aminy hoe: Tsy nianiana tamiko mpanompovavinao va ianao, ry mpanjaka tompoko hoe: I Solomona zanakao lahy no hanjaka handimby ahy, ary izy no hipetraka eo amin’ny sezafiandrianako? Koa nahoana no i Adonia indray no tonga mpanjaka?
malagasy