1 Kings 1:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha mbola miteny amin’ny mpanjaka ianao dia hiditra manaraka anao koa aho ka hanamarina ny teninao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary indro fa ilay mbola miteny amin’ny mpanjaka iny ianao, dia hiditra avy aorianao koa aho, ka hanamarina ny teninao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ihany i Natàna: –Ary raha ilay mbola eo am-piresahana amin’ny mpanjaka iny ianao, dia mba hiditra ao aminy koa aho hanamafy izay voalazanao.
Malagasy Bible 1865
Ary raha mbola miteny amin'ny mpanjaka ianao, dia, indro, izaho koa hiditra manaraka anao ka hanamarina ny teninao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha mbola miteny amin’ny mpanjaka ianao dia hiditra manaraka anao koa aho ka hanamarina ny teninao.
malagasy
Ary raha mbola miteny amin'ny mpanjaka ianao, dia, indro, izaho koa hiditra manaraka anao ka hanamarina ny teninao.