1 Kings 1:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nankao amin’ny mpanjaka tao amin’ny efitrano fatoriany i Batseba. Efa antitra tokoa moa ny mpanjaka, ary i Abisaga sonemita no nanompo azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nankao amin’ny mpanjaka tao an’efitranony, i Betsabea; efa antitra dia antitra ny mpanjaka, ary i Abisaga Sonamita nanompo azy teo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nankany amin’ny mpanjaka tao an’efitranony i Baty-Seba. Efa tena antitra ny mpanjaka; ary i Abisaga avy any Sonema no tao nanompo azy.
Malagasy Bible 1865
Ary Batseba dia nankao amin'ny mpanjaka tao amin'ny efi-trano nitoerany; ary efa antitra ny mpanjaka; ary Abisaga Sonemita nanompo azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nankao amin’ny mpanjaka tao amin’ny efitrano fatoriany i Batseba. Efa antitra tokoa moa ny mpanjaka, ary i Abisaga sonemita no nanompo azy.
malagasy
Ary Batseba dia nankao amin'ny mpanjaka tao amin'ny efi-trano nitoerany; ary efa antitra ny mpanjaka; ary Abisaga Sonemita nanompo azy.