1 Kings 1:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Efa namono omby sy zanak’omby mifahy ary ondry aman’osy betsaka izy ary efa nanasa ny zanakalahin’ny mpanjaka rehetra sy i Abiatara mpisorona ary i Joaba, lehiben’ny miaramila, fa i Solomona mpanomponao ihany no tsy mba nasainy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izy efa namono omby aman-janak’omby matavy mbamin’ny ondry betsaka; efa nasainy avokoa ny zanaka lahin’ny mpanjaka sy i Abiatara mpisorona, ary i Jôaba filohan’ny tafika, fa i Salômôna mpanomponao tsy mba nasainy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary efa nanao fety be namonoana omby sy biby matavy ary ondry maro izy ka nanasa ny zanakalahinao rehetra sy i Abiatara mpisorona ary i Jôaba filohan’ny tafika, fa i Salômôna mpanomponao ihany no tsy mba nasainy.
Malagasy Bible 1865
Ary efa namono omby sy zanak'omby mifahy ary ondry aman'osy betsaka izy ka efa nanasa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra sy Abiatara mpisorona ary Joaba, komandin'ny miaramila; fa Solomona mpanomponao ihany no tsy mba nasainy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Efa namono omby sy zanak’omby mifahy ary ondry aman’osy betsaka izy ary efa nanasa ny zanakalahin’ny mpanjaka rehetra sy i Abiatara mpisorona ary i Joaba, lehiben’ny miaramila, fa i Solomona mpanomponao ihany no tsy mba nasainy.
malagasy