1 Kings 1:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy ny mpanompony taminy: Aoka hitadiavana zazavavy virijiny ny mpanjaka tompoko; aoka hanompo ny mpanjaka izy ka ho mpitaiza azy, ary aoka handry eo amin’ny tratranao izy dia hampafana ny mpanjaka tompoko!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy ny mpanompony taminy: «Aoka hitadiavana zazavavy virjiny ny mpanjaka tompoko, hitoetra eo anatrehan’ny mpanjaka sy hitaiza azy, ary handry eo amin’ny tratranao, ka dia hafana ny mpanjaka tompoko.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy ny mpanompony taminy: –Aoka ianao, ry andriamanjaka, hitadiavana tovovavy virijiny izay ho eo anatrehanao mandrakariva mba ho mpitaiza anao sy handry eo anilanao, ka dia hafana ianao.
Malagasy Bible 1865
Ka dia hoy ny mpanompony taminy: Aoka hitadiavana zazavavy virijina ny mpanjaka tompoko, dia aoka hitoetra eto anatrehan'ny mpanjaka izy mba ho mpitaiza azy, ary aoka handry eo amin'ny tratranao izy, ka dia hampahafana ny mpanjaka tompoko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy ny mpanompony taminy: Aoka hitadiavana zazavavy virijiny ny mpanjaka tompoko; aoka hanompo ny mpanjaka izy ka ho mpitaiza azy, ary aoka handry eo amin’ny tratranao izy dia hampafana ny mpanjaka tompoko!
malagasy