1 Kings 1:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ianao, ry mpanjaka tompoko ô, ny mason’ny Israely rehetra no manandrandra anao mba hilazanao izay hipetraka eo amin’ny sezafiandriananao handimby anao, ry mpanjaka tompoko ô!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny mason’i Israely rehetra anefa izao, ry mpanjaka tompoko ô, dia samy manandratra anao, hanambara izay hipetraka handimby anao, eo amin’ny seza fiandrianan’ny mpanjaka tompoko.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ankehitriny, ry andriamanjaka, ny vahoakan’i Israely rehetra dia miandrandra fatratra ny fanambarànao ampahibemaso ny anaran’izay hipetraka handimby anao eo amin’ny sezafiandriananao.
Malagasy Bible 1865
Ary ianao, ry mpanjaka tompoko ô. ny mason'ny Isiraely rehetra manandratra anao hilazanao izay hipetraka eo amin'ny seza fiandriananao mpanjaka tompoko handimby anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ianao, ry mpanjaka tompoko ô, ny mason’ny Israely rehetra no manandrandra anao mba hilazanao izay hipetraka eo amin’ny sezafiandriananao handimby anao, ry mpanjaka tompoko ô!
malagasy
Ary ianao, ry mpanjaka tompoko ô. ny mason'ny Isiraely rehetra manandratra anao hilazanao izay hipetraka eo amin'ny seza fiandriananao mpanjaka tompoko handimby anao.