1 Kings 1:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa rehefa lasa modimandry any amin’ny razany ny mpanjaka tompoko, dia izaho sy i Solomona zanako no homena heloka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa raha tsy izany, rehefa mody amin’ny razany ny mpanjaka tompoko, dia hatao olo-meloka izaho sy i Salômôna zanako.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha tsy izany, rehefa modimandry ka tsy eo intsony ianao, ry andriamanjaka, dia hatao toy ny olo-meloka ny tenako sy i Salômôna zanako.
Malagasy Bible 1865
Fa rehefa lasa modi-mandry any amin'ny razany ny mpanjaka tompoko, dia izaho sy Solomona zanako no atao meloka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa rehefa lasa modimandry any amin’ny razany ny mpanjaka tompoko, dia izaho sy i Solomona zanako no homena heloka.
malagasy
Fa rehefa lasa modi-mandry any amin'ny razany ny mpanjaka tompoko, dia izaho sy Solomona zanako no atao meloka.