1 Kings 1:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa nidina izy androany ka namono omby, zanak’omby mifahy, ondry aman’osy betsaka ary nanasa ny zanakalahin’ny mpanjaka rehetra sy ireo lehiben’ny miaramila sy i Abiatara mpisorona; ary indreo izy mihinana sy misotro eo anatrehany sady miteny hoe: Ho ela velona anie i Adonia mpanjaka!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa nidina androany izy izao, ka namono omby aman-janak’omby matavy sy ondry be dia be; nasainy avokoa ny zanaka lahin’ny mpanjaka sy ny filohan’ny tafika ary i Abiatara mpisorona. Indro mihinana sy misotro eo anatrehany ireo izao, ka manao hoe: Ho ela velona anie i Adoniasa mpanjaka!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa androany izy dia nidina tao amin’ny vaton’i Zôheleta ka nanao fety be izay namonoana omby sy zanak’omby matavy ary ondry maro. Nasainy tao avokoa ny zanakalahinao rehetra sy ny filohan’ny tafika ary i Abiatara mpisorona. Indreo izy rehetra fa mihinana sy misotro eo anatrehany ka mihorakoraka hoe: «Ho ela velona anie i Adônià mpanjaka!».
Malagasy Bible 1865
Fa he! izy nidina androany ary namono omby sy zanak'omby mifahy sy ondry aman'osy betsaka ka nanasa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra sy ny komandin'ny miaramila sy Abiatara mpisorona; ary indreo izy mihinana ny misotro eo anatrehany ka manao hoe: Ho ela velona anie Adonia mpanjaka!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa nidina izy androany ka namono omby, zanak’omby mifahy, ondry aman’osy betsaka ary nanasa ny zanakalahin’ny mpanjaka rehetra sy ireo lehiben’ny miaramila sy i Abiatara mpisorona; ary indreo izy mihinana sy misotro eo anatrehany sady miteny hoe: Ho ela velona anie i Adonia mpanjaka!
malagasy